29 MARS

Ro Andriamaneva

Mbola maizina ny tany, nangidy aza raha ambara
Niaina anaty fijaliana ny mponina eto Gasikara.
Niforitra tsy sahy nitraka ny vahoaka anaty sento,
Nanampatra ny habibiany 'reo mpanjanan-tany teto,
Nanitsakitsaka ny zo naha olona ny olona
Nanosihosy lozan-tany ny fiavotana sy tolona.
Nogadraina ireo mpitarika, notifirina ny sasany,
Novonoina koa ny hafa, nofatorana ny asany.

Nisy anefa sahy nijoro, najininikany ny rany.
Nolevoniny ny tenany fantany ny hiafarany
Fantany izay ho tohiny any ambadika any ho any,
Fantany izay ho vokany, fa ny ra mamonto tany
Dia ho zezika hanafaka ny tanindrazana mijaly
Ka ho hery izay nanavotra ny fiforetana omaly
Sy ho aina izay hamelona ny efa resy mitambolona
Ary hanala koa ny zioga mianjady amin'ny olona.

Fa tsy very maina izany, misy akony sy hasina
Misy lanjany tokoa ny tanindrazana fa masina
Tsy navelan'ny tontolo mba hijanona amin'izao
Tsy neken'ny rehetra ny hijalijaly tao ...
Ary ireny ankehitriny no mibitsika ao am-po
Sy manaitra indray ny saina hatsiahy ny taloha,
Ka hiondrika amin-kaja 'reo rehetra Maritiora
'Zay namoy ny aina aza, satria izany anie tsy mora

28 Marsa 1973

Vonona ny Malagasy

Valin-kira ho an'i Dr Radaody Ralarosy P. (4 sept 1958)

Vonona ny Malagasy
Hanandratra ny tanindrazany
Ary tsy hilasilasy
Hanatratra izay voalazany.
Vonona ny Malagasy
Fa fitiavana sahazany.

Vonona ny Malagasy
Hamelo-maso 'reo nikoro,
Tsy hamela hangasihasy,
'Zay voamarina nijoro.
Vonona ny Malagasy
Handrafitra "reo torotoro

Vonona ny Malagasy
Hanavotra izay efa nisy
Ireo nolazaina ho kasy
Ka nirodana indrisy ...
Vonona ny Malagasy,
Ny fanetri-be dia tsisy.

Vonona ny Malagasy
Ka ny hajany no hakarina,
Gasikarany no lasy,
Ary azy, azy marina :
Vonona ny Malagasy,
Ny fanjakany no hitarina.

Vonona ny Malagasy
Ny hitana izany lova ;
Eny na dia efa tasy,
Hamboarina tsy hiova
Vonona ny Malagasy
Hanarina izatsy Rova !